MAMONJY AMIN'NY FAHAFATESANA NY TOMPO
Fiangonana Kristiana Malagasy eto Abidjan
Communauté Chrétienne Malgache d'Abidjan

Accueil

 

 

Retrouvez-nous sur Facebook- FKMA

 
 

Informations


Filazàna manjo

Ny Mpitandrina Solomon Andriatsimialomananarivo mivady sy ny fianakaviany rehetra dia mampita amintsika amin'alahelo lehibe ny niantsoan'ny Ray hody any Aminy an' i :
 
Ramatoa Raoeliarisoa Marcelline, 85 taona
renin'i Pasitera Solomon Andriatsimialomananarivo.
 

Ny Mpitandrina Andria moa dia lasa any Madagasikara afak'omaly alakamisy ary toy izao ny hafatra nomeny ho antsika :
"
Tsy nahatratra an'i Neny aho fa lasa ny Zoma tamin'ny 1 ora atoandro izy, izaho kosa ny Sabotsy maraina tamin'ny 2 ora no tonga. Tsy afaka nifampitsiky taminy... Hatao amin'ny Alatsinainy ny fandevenana.  Lazao ny vaovao ny mpianakavy amin'ny finoana. Pasitera"

Fandaharana herinandro voalohany Febroary 2015

1/ Fandinihana Baiboly (Études Bibliques)

Daty sy ora : Zoma 6 Febroary amin'ny 7 ora hariva.

Toerana : Tokantranon’i Mamy Rajaonah, Biétry

Hodinihana ara-tSoratra Masina : “Ny Fiangonana sy ny fampianaran-diso” [Église et hérésies (sectes)]

 2/ Alahadin’ny Fateac (Faculté de Théologie Évangélique de L'Alliance Chrétienne)

Fanompoam-pivavahana natokana sy hiarahana amin’ny mpampianatra sy mpianatra ao amin’ny Fateac.

Noraisin’ny FKMA ho  adidy misiona ny fanohanana ny Fateac nanomboka taona vitsivitsy izay.

Daty sy ora : Alahady 8  Febroary amin'ny 9 ora maraina (manomboka).

Toerana : Plateau

Fandaminana manokana : 

1/ Ny rakitra voaangona amin’io Alahady io dia atolotra manontolo avokoa ny Fateac.

2/ Hisy fiarahan’ny mpianakavy (communion fraternelle) atao eo an-tokontanim-piangonana aorian’ny fanompoam-pivavahana. Ka toy ny fanao hatramin’izay dia hanomana “sarisakafo” miendrika tsakitsaky (collation) isika. Ny fialàna hetaheta  moa dia raisin’ny Fiangonana ho andraikitra. Afaka miantso  an’i Maman Noro izay maniry hanana fanazavàna manokana momba ny sarisakafo.




Nouvelles de la famille Gnahoi

De : Arsene Gnahoi

Objet : NY VAOVAO AMN'NY MISSION SAKALAVE SY BONNE ANNÉE

Date : 20 janvier 2015 16:03:24 UTC

À : M. Solomon Andria

BONJOUR PASTEUR,

NOUS SOMMES HEUREUX DE POUVOIR VOUS FAIRE PART DE NOS NOUVELLES APRÈS QUELQUES MOIS DE SILENCE.

PAR LA GRÂCE DU SEIGNEUR NOUS ALLONS BIEN ET NOUS NOUS ADAPTONS DE MIEUX EN MIEUX A LA CULTURE MALGACHE,QUI DU RESTE A BEAUCOUP DE SIMILITUDES AVEC LA NÔTRE.

EN CE MOMENT, AVEC LA SAISON DE PLUIE ET LES RISQUES DE CYCLONE,NOUS NE SORTONS PRATIQUEMENT PLUS EN CAMPAGNE.

PENDANT LE DERNIER TRIMESTRE DE 2014, PENDANT QUE NOUS APPRENIONS LA LANGUE,NOUS AVONS EFFECTUE DES VOYAGES DANS CERTAINES LOCALITÉS DE LA RÉGION BOENY POUR LA SENSIBILISATION ET LA PROSPECTION.

C'EST PRINCIPALEMENT L’ÉGLISE DES ASSEMBLÉES DE DIEU QUI RÉPOND FAVORABLEMENT A CETTE OPPORTUNITÉ D'IMPLANTATION D’ÉGLISES EN MILIEU SAKALAVE.

PAR LA GRÂCE DE DIEU,NOUS POURRIONS COMMENCER LES ÉVANGÉLISATION EN NOUS APPUYANT SUR LES ÉGLISES QUI MANIFESTENT UN RÉEL INTÉRÊT A CET SUJET.

NOUS SALUONS CHALEUREUSEMENT TOUS LES FRÈRES DE LA COMMUNAUTÉ MALAGSY.

A BIENTÔT   FRATERNELLEMENT,FAMILLE GNAHOI

 

"Fanomezana Rovatiana" Krismasy 2014

Taratasy avy amin'i Niry Razafimahefa, mpampianatra SA, Ambohijatovo Fitiavana Antananarivo

An'i Pasitera, ny Diakona, ny Sampana Sekoly Alahady ary ny mpiara mivavaka rehetra ao am FKMA Abidjan
 
Fifaliana lehibe tokoa ary hisaorana an'Andriamanitra fa voaray soa amantsara ny vola 291 € anio tamin'ny 5 ora hariva teny am station essence tanjombato! Araky ny faniriana moa dia ny mba hanolorana azy alohan'ny noely izany hoe anio ihany, dia tonga dia natakalonay ariary ny lelavola satry olona mety tsy hahay hanao izany ireo fianakaviana ireo ka araka ny tenin'i Pasitera Ambohijatovo Fitiavana aleo tonga dia vola voatakalo no atolotra, ka dia  291€ x 3000 ariary = 873 000  ariary na 4 365 000 fmg no vola natolotra an'i Rovatiana kely sy ny Ray aman-dreniny teny amin'ny tranon'ny mpitandrina Ambohijatovo fitiavana tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany hariva teo ho eo. Nagataka ny hampitaina ny hafatra ry zareo ny fisaorana mitafotafo fa tena tsy nampoiziny ny fanomezana vitanareo ary nanaiky ny hirotsaka be be kokoa amin'ny firosoana lalina ny amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny ray aman-drenin'i Rovatiana, mangataka ihany koa izy ireo ny mba hitondrana am-bavaka ny fahasitranan'i Rovatiana hatramin'ny farany satria mbola ho lava tokoa ny traitement an'ilay tongotra miha fohy.
 
Maneho fisaorana koa ny tenako izay manoratra indrindra fa fisaorana an'Andriamanitra voalohany indrindra satria tsy natao ho mpianatro tamin'izao fotsiny i Rovatiana kely fa tena fitahian 'Andriamanitra io zaza io no zavatra miseho! ny lalanay tany abidjan, ny naha mpianatro anazy ka nahafahanareo nanampy azy avy eo. Hita mihitsy ny tanan'Andriamanitra nanao ny soridalana ka dia mirary fitahiana mitafotafo ary koa mirary Krismasy Sambatra ho anareo rehetra ary taom-baovao feno fifaliana sy fahasoavana avy amin'ilay Andriamanitra nahary izao rehetra izao.
 
Ny Pasitera Ambohijatovo Fitiavana ihany koa dia mampita ny fisaorany aminareo mpiara mivavaka rehetra ao FKMA Abidjan indrindra ny mpianatra sekoly alahady! Ary hanao taratasy fiaorana izy roa tonta ireo izay mampiseho ny vola voaray (karazana reçu) ka ampiarahana amin'i Emilie ihany na scaneko de alefako mailaka eto ihany.
 
Ireto ary ny sary izay azonay tamin'izany.
 
Izay ary fa samy hotahian'Andriamanitra isika rehetra eeee
 
 
Sary "Rovatiana"


Tolojanahary Hasimaria Rovatiana,10 taona.
Razafimahefa Niry, mpampianatra Sekoly Alahady, Ambohijatovo Fitiavana



Fanolorana ny fanomezana avy amin'ny  FKMA Abidjan,
tao an-tokantranon'ny Mpitandrina Ambohijatovo Fitiavana


Tolojanahary Hasimaria Rovatiana.


Fianakavian'i Rovatiana



Rovatiana, misaotra ny mpino rehetra ary ny Sekoly Alahady eto Abidjan, io ilay sary nalefan'i Mirana.



  Misaotra an'i Emilie nitondra ny hafatra avy amin'ny FKMA.

Fandaharana Krismasy 2014

  • alarobia 24 desambra hariva : Antsan-kira Krismasy (Fiangonana telo tonta ao amin’ny Plateau). Asaina isika rehetra hanatrika ary ny Antokompihira FKMA dia manana anjara lehibe amin’izany. Irina mba haharitra hatramin’ny farany tokoa isika amin’io hariva io, ny Antsan-kira moa dia tohizana avy hatrany amin’ny Culte de Noël. Ny ora fanombohana dia hotondroina tsy ho ela. Toerana : Plateau.
  • alakamisy 25 desambra maraina 9 ora : Fanompoam-pivavahana Krismasy tarihin’ny Mpitandrina Solomon Andria, hisy fandraisana Fanasan’ny Tompo. Toerana : Plateau.
  • alakamisy 25 desambra antoandro : Fiaraha-misakafo Krismasy eny amin’ny Hotel Pergola , Biétry manomboka amin’ny 12 ora sy sasany. Samy mitondra sakafo ny fianakaviana ary ny momba izany dia azo anontaniana an’i Maman Noro, mpiandraikitra ny Sampana Vehivavy.
  • alakamisy 25 desambra tolak’andro : Hazo Noely taDnterahin’ireo ankizy miisa 50 latsaka kely ao amintsika eo ambany fiandraiketan’ireo mpampianatra. Atomboka amin’ny 2 ora sy sasany tsy diso izany. Marihina fa amin'ny 2 ora no manomboka miomana ny ankizy.

16 Novambra 2014 : Fanokafana ny Taom-Piangonana 2014-2015

Araky ny efa fantantsika dia hatao ny Alahady 16 Novambra ho avy izao  ny fanokafana ny Taom-Piangonana 2014-2015. Koa toy izao ny fandaharana ny amin’izany :

1/ 9 ora maraina : FANOMPOAM-PIVAVAHANA

-      Latabatra masina;

-      Famelabelarana momba ny  Fiangonana FKMA;

-      Fandraisana sy fitondràna am-bavaka ireo vaovao.

            2/ Amin’ny 11 ora eo ho eo : Fianaran’ny Sekoly Alahady ao am-piangonana

            3/ Amin’ny 12 ora sy sasany: Fiaraha-misakafo eny amin’ny FATEAC

            4/ Famoahana ny Hevitenin’ny Baiboly eny amin’ny FATEAC

 

 

MOMBA NY FIARAHA-MISAKAFO ENY AMIN’NY FATEAC

Araka ny efa nambara tamintsika tamin’ny alahady ary ho an’izay mbola tsy nandre dia toy izao ny hafatra avy amin’ny mpiandraikitra (Maman Noro) mikasika izany :

-      Vidin’ny plat iray : 2 000 FCFA

-      Safidy plat : Bœuf  sauce légume, Poisson, Poulet frit ;

-      Safidy accompagnement : Riz, Igname , Alloco, Frites de pommes de terre.

Samy mivatsy couvert  (cuillère, couteau, fourchette, assiette , baguette,...).

Samy mivatsy rano ihany koa.

Ny commande vaovao (ho an’izay mbola tsy nandefa) na ny fanovàna commande (ho an’izay te-hanova) dia alefa alohan’ny alakamisy 13 Novambra alina amin’ireto olona ireto :

-         Maman Noro : Tel 22 00 30 15  na 60 84 16 66 na 60 27 87 15

-         Rado Rakotoson : 05 10 11 69 na koakio@hotmail.com


19 oktobra 2014 : Fandraisana Fanasàn'ny Tompo

Ampatsiahivina isika rehetra fa hisy fandraisana Fanasàn'ny Tompo hotarihin'ny Mpitandrina Solomon Andria amin'ny alahady 19 oktobra ho avy izao koa samy miomana sahady amin'izany isika rehetra. 


19 oktobra 2014 : Fiantombohan'ny taonan'ny Antoko Mpihira

Araky ny nambara alahady roa lasa izay dia hanomboka amin'ny alahady 19 oktobra ho avy izao ny taonan'ny Antoko Mpihira. Koa asaina isika rehetra ho tonga hanatrika izany io alahady 19 oktobra io ka manomboka amin'ny 4 ora hariva ao amin'ny trano fiangonana Plateau ihany.


12 oktobra 2014 : Famoahana ny Boky Hevitenin'ny Baiboly tany Madagasikara

(Lahatsoratra nalaina tao amin'ny site FJKM Foibe)

Notanterahina ny Alahady 12 Oktobra 2014 tamin’ny 2 Ora tolakandro , tao Antsahamanitra ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny HEVITENIN’NY BAIBOLY .Izany dia nomarihana tao anatin’ny Iray volan’ny Fandikanteny nibanjinana ny lohahevitra hoe : «  Baiboly amin’ny fiteniko, mitsilo ny fahatanorako ».

Nitarika ny fanompoampivavahana : Ramatoa RABARIJAONA Brigitte , Mpitandrina (FMBM) sy Ramatoa RABEMILA Yvette , Mpitandrina (Komity Kiady) . Nandahanteny Andriamatoa RAPANOELINA Faly (FMMB) . Antoko mpihira miisa 11 no tonga nanome Voninahitra ny fotoana tamin’ny Hira fiderana avy amin’ny fiangonana samihafa miara-miasa amin’ny FMMB ...
Teolojiana 70 mianadahy no manazava ny Soratra masina ao anatin’izany boky izany . Lahatsoratra 70 mikasika ny zava-misy aty Afrika . Mora ampiasaina ary hevitenin’ny Baiboly manontolo .
Ny Hevitenin’ny Baiboly dia manasongadina sy manazava ary mandravona ireo hevitra maro fonosin’ny teksta rehetra ao amin’ny Soratra Masina , natao indrindra ho an’ny mpitondra fiangonana , ny mpitoriteny , ny mpampianatra .
Voasoratra amin’ny teny malagasy ny Boky ary efa navoaka tamin’ny teny Anglisy sy Frantsay. Misy pejy 2000. Izany dia hanampy betsaka ny Afrikana hamaky sy hahazo ary hiaina ny Baiboly.
Ara- Baiboly ny fototra sady Afrikana ny fijery ary voalanjalanja ny adihevitra ao aminy.
Miavaka amin’ny boky mahazatra ny Hevitenin’ny Baiboly fa manao an-tsaina ny fivavahana sy ny kolo-tsaina aty amin’ny faritr’i Afrika . Ny famakiana azy dia hanampy antsika amin’ny fampiharana ny Tenin’ Andriamanitra ao amin’ny fiainantsika , hamaka ao amin’i Jesoa Kristy ary hitombo amin’ny fahalalana .

Foibe manaparitaka ny boky eto Madagasikara :
Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy BP 922 Antananarivo 101 Arabe Jeneraly Rabehevitra
Tel 020 22 251 35 Email : baiboly@moov.mg
www.mampielybaiboly.mg

 




05 oktobra 2014

Amin’ny alahady 05 oktobra ho avy izao, aorian’ny fanompoam-pivavahana ary mialoha ny fianaran’ny Sekoly Alahady dia hisy fotoana fohy atokana ho an’ireto zavatra roa ireto :
1.       tatitra ara-bola (toe-bola 30 septambra 2014) ;
2.       fanokafana ny taonan’ny Antoko Mpihira izay hiatrika sahady ny Antsan-kira fanao Krismasy.
Koa dia mampiomana antsika rehetra ny amin’izany.
Mampatsiahy antsika ihany fa amin’io alahady io ihany koa no hitondràna am-bavaka an’i Michou Razafindranasina noho ny fahatrarany ny faha-60 taonany.
Ampatsiahivina ihany koa isika fa amin'ny alahady 12 oktobra ho avy izao no hamoahana ilay boky Hevitenin'ny Baiboly nataon'ny Afrikana(Commentaire Biblique Africain) any Madagasikara. Ny eto amintsika moa araka ny voalaza teo aloha dia atao ny alahady 16 novambra 2014.

Sept-Oct-Nov 2014 Fandaharana samihafa
Indreto ny fotoana samihafa ato ho ato ahafahantsika rehetra miomana sahady:
-      Zoma 19 Septambra amin'ny 7 ora: Soratra Masina eny amin-dry Papa sy Maman Somano;
-      Alahady 21 septambra aorian’ny fanompoam-pivavahana :hanomboka ny fianarany ny Sekoly Alahady; 
-      Alahady 5 Oktobra amin’ny 9 ora maraina : hisy vavaka manokana atao ho an'i Razafindranasina Michou ao anatin'ny fanompoam-pivavahana, izany dia noho ny nahatrarany ny faha-enimpolo taonany;
-      Alahady 19 Oktobra amin’ny 9 ora maraina : Misy Latabatra masina ho tarihin’i Pasitera Andria;
-      Alahady 2 Novambra amin’ny 9 ora maraina : Araka ny efa rentsika ary hohamafisin’ireo tompon’andraikitra amin’ny alahady ho avy izao dia hisy Fiaraha mivavaky ny telo tonta (francophone, anglophone, malagasy) amin’io alahady 02 Novambra io. Izany dia ho fisaorana ny Avo ny amin'ny asa fanompoan'i Pasteur Mensah (anglophone). Manentana antsika sahady amin’izany mba ho mariky ny fahamafisan’ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay eo amin’ny telo tonta.
-      Alahady 16 Novambra amin’ny 9 ora maraina: Fanokafana ny Taom-Piangonana (Rentrée ecclésiastique) sy famoahana ny boky Hevitenin'ny Baiboly (dika malagasy).

Localisation du temple EMU-CI et FKMA



 



Site de la FKMA ouvert depuis avril 2008
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement