| Programme Quatrième Trimestre |
ANTSO Ho mariky ny fankalazàna ny faha-30 taonan'ny FKMA dia ilazàna isika rehetra fa misokatra ho an'ny daholobe ny fanolorana hira, tononkalo, hafatra na fanamarihana hafa.
Izany dia azo atolotra ny iray amin'ireo mpiandraikitra na alefa ao amin'ny fkma.ci@gmail.com.
Tsarovy fa ny teny faneva dia ny hoe :
"Efa nahazo maimaimpoana ka hizara maimaimpoana".
Koa dia atolory izay mifanandrify amin'ny fanomezam-pahasoavana hananao. Marihina fa amin'ireo hira atolotry ny mpino no hisafidianana hira faneva ho an'ny faha-30 taona.
|
|
Fandaharana 17-18 Septambra 2011 Asabotsy 17 Septambra 2011
Katekomena : manomboka amin’ny 4 ora ao an-tokantranon’i Andrianasolo Eugène - Cocody
Fandinihana Soratra Masina : manomboka amin’ny 5 ora eo an-toerana ihany
Alahady 18 Septambra 2011
Fotoam-pivavahana : ao amin’ny Plateau, fiangonana manomboka amin’ny 9 ora maraina (jereo ny fandaharana).
|
| Alahady 04 Septambra 2011
Ny Fotoam-pivavahana amin'ny Alahady 04 Septambra ho avy izao dia iarahantsika amin'ny Fiangonana Francophone EMUCI ao amin’ny Plateau, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina.
Hisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
|
Jereo ireo sary vaovao ao amin'ny Galérie photos
2011-05-29 Fête des mères
2011-06-12 Pentecôte Réunion 30è chez Tantely
2011-06-19 Fête des pères
2011-06-26 Prières pour Madagascar
2011-07-03 Fin Année ED 2011 |
|
Fandaharana 16-17 jolay 2011 Asabotsy 16 jolay 2011
Katekomena : manomboka amin’ny 4 ora ao an-tokantranon’i Ratoarijaona Mahery
Fandinihana Soratra Masina : manomboka amin’ny 5 ora eo an-toerana ihany
Alahady 17 jolay 2011
Fotoam-pivavahana : ao amin’ny Plateau, fiangonana manomboka amin’ny 9 ora maraina.
|
| Fandaharana 09-10 jolay 2011
Asabotsy 09 jolay 2011
Katekomena : manomboka amin’ny 4 ora ao an-tokantranon’i Rakotoson Rado mianakavy
Fandinihana Soratra Masina : manomboka amin’ny 5 ora ao an-tokantranon’i Rakotoson Rado mianakavy
Alahady 10 jolay 2011
Fotoam-pivavahana : ao amin’ny Plateau, fiangonana manomboka amin’ny 9 ora maraina. Hisy ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Famangiana : aorian’ny fanompoam-pivavahana dia hamangy ny fianakaviana navelan’i Razaimananoro Ernestine izay nodimandry tamin’ny 13 jona lasa teo isika . Hisy fanangonana tsipaipaika mialoha ny famangiana.
Fiaraha-misakafo : Hisy fiaraha-misakafo aorian’ny famangiana. Toy ny mahazatra dia samy hivatsy sakafo sy rano isika. Ny toerana dia ao an-tokantranon’i Lalah Rambeloson IIPlateaux-Attoban. |
Fanamafisana fanasàna
Hamafisina fa ny Malagasy rehetra monina eto Côte d'Ivoire dia antsoina hiara-hankalaza ny fetin'ny fahaleovantenan'i Madagasikara atao eny amin'ny Riviera, tranofanaovampetin'ny Masera.
- samy mitondra ny sakafo sy ala-hetaheta ny tsirairay ;
- fanamiana malagasy raha azo atao;
- fandraisana anjara 350 F CFA isan'olona.
Koa ireo rehetra ho tonga hanatrika ny "Vavaka ho an'i Madagasikara" eny amin'ny Plateau amin'ny 9 ora (jereo etsy ambany) dia hiaraka hirodorodo avy eo ho eny amin'ny Riviera. Aza adino ny mitondra fifaliana sy endrika mirana hozaraina amin'ny mpianakavy. Dia misaotra ireo mpanetsiketsika rehetra. |
|
FANASANA
FANOMPOAM-PIVAVAHANA / FOTOAM-BAVAKA
26 JONA 2011
Ry havana,
Antsoina isika Malagasy rehetra ho tonga hanatrika ny fotoam-pivavahana hitondràna am-bavaka an'i Madagasikara ny Alahady 26 jona ho avy izao ao amin'ny fiangonana Plateau manomboka aùmin'ny 9 ora maraina.
Ho entintsika am-bavaka manokana ireto zavatra tsapa fa ilain'ny firenena amin'izao ora itenenantsika izao :
- Ny tanora malagasy toa very fanahy
- Ny mpitondra ara-panahy: fahamarinana, fampaherezana ny vahoaka sy fitoriana
- Ny fiverenana amin'ny soatoavina: fanajàna ny ny maha-mpiray monina, maha-mpianakavy, ny tokantrano sy ny fanambadiana, ny zokiolona, ny rariny sy ny hitsiny, ny hasin'ny aina nomen'Andriamanitra
- Ny mba hanomezan'Andriamanitra ny Malagasy ny sata sy ny mpitondra mendrika azy
- Ny fitoriana ny Filazantsara amin'ny faritany rehetra sy ny saranga rehetra any Madagasikara
"Raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny Anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny." IITantara 7:14 |
|
Fandaharana Asabotsy 25 jona 2011 1° Katekomena amin'ny 4 ora, misokatra ho an'ny rehetra.
2° Fandinihana Soratra Masina amin'ny 5 ora, misokatra ihany koa ho an'ny rehetra.
Samy hatao ao an-tokatranon'i Eugène sy Lydia ary Mijoro Andrianasolo ireo. |
|
Fandaharana 18-19 jona 2011 Asabotsy 18 jona 2011
1° Katekomena amin'ny amin'ny 4 ora, misokatra ho an'ny rehetra.
2° Fandinihana Soratra Masina amin'ny 5 ora, misokatra ihany koa ho an'ny rehetra.
Samy hatao ao an-tokatranon'i Eugène sy Lydia ary Mijoro Andrianasolo ireo.
Alahady 19 jona 2011
- Fanompoam-pivavahana ao amin’ny Fiangonana kely, manomboka amin’ny 9 ora tsy diso.
- Ao anatin'izany no hivavahana manokana ho an'ny raim-pianakaviana rehetra.
|
|
Pentekosta : Vaovao fanampiny
Araka ny efa fantatsika dia hiaraka hankalaza ny Pentekosta isika amin’ny Alahady 12 jona ho avy izao. Izany dia atao ao amin’ny Fiangonana kely (Plateau) manomboka amin'ny 9 ora maraina tsy diso. Hisy Fandraisana ny Fanasàn’ny Tompo amin’izany.Ny mpandray anjara dia ireo rehetra voatondro ao anatin’ny fandaharana.
Manampy izany dia indro misy vaovao hafa ampitaina amintsika ho amin’io andro alahady io ihany :
1. Fivoriana sy ala-hetaheta : Aorian’ny Fanompoam-pivavahana moa dia hisy fivoriana ho enti-mandinika ny fiainam-piangonana indrindra ny fankalazàna ny faha-30 taonan’ny FKMA. Mandritra ny fivoriana na aoriana dia hisy fialàna hetaheta sy tsakitsaky atolotry ny Fiangonana.
2. Ezaka Mpitandrina : Fotoana vitsivitsy izay dia tsy afaka nanatanteraka ny Ezaka fanao ho an’ny Mpitandrina isika na dia maro aza ny naniry hanao izany. Koa amin’ny alahady Pentekosta ho avy izao dia hangonina toy ny mahazatra ny Ezaka (anaty valopy na tsia) amin’ny alalàn’ny rakitra faharoa.
Ho tahian’Andriamanitra mandrakariva isika rehetra. |
|
Toy izao ny fandaharantsika amin’ny alahady 05 jona sy 12 jona (Pentekosta).
05 jona 2011
- Fiaraha-mivavaka amin’ny Fiangonan-dehibe Francophone manomboka amin’ny 9 ora sy sasany tsy diso.
- Aorian’io culte io dia hamangy an’i Assad sy Joëlle mianakavy isika , eny an-tokantranon’i Razafindranasina Tiana sy Michou.
12 jona 2011
- Fankalazàna ny Pentekosta ao amin’ny Fiangonana kely, manomboka amin’ny 9 ora tsy diso.
- Aorian’io fanompoam-pivavahana io dia hisy fivoriana fanaovana tatitra sy fandinihana ny fankalazàna ny faha -30 taonan’ny FKMA. Hisy fandinihana fohy koa momba ny 26 jona (androm-pirenena).
|
|
Alahady 29 may 2011
Toy izao ny fandaharam-potoanantsika amin’ity faran’ny herinandro ity.
- Alahady 29 may 2011 : Fanompoam-pivavahana ao amin’ny trano fiangonana kely manomboka amin’ny 9 ora maraina, vavaka manokana no atokana ho an’ireo renim-pianakaviana noho ny fetin’ny reny ;
- Alahady 29 may 2011 : Fiaraha-misakafo eny amin’ny tokantranon’i Lalah Rambeloson aorian’ny fotoana rehetra ao amin’ny Plateau : samy mitondra sakafo ny fianakaviana tsirairay, saingy tsy mitondra rano sy ranom-boankazo fa efa misy ; Ho tahian’ny Tompo Jesosy mandrakariva. |
|
FANOMPOAM-PIVAVAHANA 15-05-2011
Ny fanompoam-pivavahana amin’ny 15 may 2011 dia atao eny amin’ny trano fiangonana mahazatra eny amin’ny Plateau manomboka amin’ny 09 ora maraina.
Izany fotoana izany dia ahafahantsika :
Miombom-bavaka indray taorian’ny fotoan-tsarotra teto Côte d’Ivoire ;
Miray latabatra amin’ny Tompo amin’ny alalàn’ny Fandraisana ;
Manokatra ny Taon-jobily fankalazàna ny faha-30 taonan’ny FKMA. Dia miomana sahady ho amin’izany isika. Omena miandàlana ny fanampim-baovao raha vao misy. |
| Culte et Rencontre Fraternelle du 1er mai 2011 - Les photos |
| 29 Avril 2011 : Troisième anniversaire du site de la FKMA |
PASKA 2011
24 avril 2011, Riviera (Ecole "Les amis de Saint Joseph")
Hafatra Paska
- Aoka hiorina mafy ny finoantsika, tsy azo hozongozonina fa nitsangana tamin’ny maty tokoa ary velona Kristy;
- Aoka ataontsika fitaratra ny fietren’i Jesosy Kristy izay nanaiky hatramin'ny hazo fijaliana sy ny fahafatesana; ary mampitondra antsika ny hazo fijaliana Izy;
- Raha miray amin’ny Tompo isika ka mitondra ny hazo fijaliana dia asandratra tahaka an'i Jesosy, dia esoriny amin’ny fahafatesana.
|
|
CULTE PÂQUES 2011
Ry havana,
Miarahaba antsika rehetra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.
Nifandinika nandritra ny fotoana maharitra ny Mpitandrina sy ny Diakona mikasika ny fomba hankalazantsika ny Paska.
Koa dia tapaka ny hevitra fa hanao fotoam-pivavahana isika amin’io andro lehibe io, izay hahatsiarovana ny nitsanganan’I Jesoa Kristy tamin’ny maty, fototry ny finoantsika Kristiana.
Izany fanompoam-pivavahana izany koa dia hoentintsika hisaorana an’Andriamanitra noho ny nitandremany antsika nandritra ny fotoan-tsarotra teto Côte d’Ivoire.
Ary dia hararaotintsika koa io fotoana io hiaraha-mifaly sy hifanakalozana vaovao. Ka dia samy hitondra sakafo antoandro isam-pianakaviana isika( miaraka amin’ny kojakoja rehetra : lovia , sotro, vera, nappe…). Ny fialàna hetaheta dia atolotry ny Fiangonana.
Koa toa izao ny fandaharana : Toerana : Tranon’ny Masera eny amin’ny Riviera (aloha kely amin’ny làlana mankany amin’ny CELAF, toerana nandraisantsika ny masoivoho gasy taona vitsy lasa izay).
Fotoam-pivavahana : manomboka amin’ny folo ora latsaka fahefany maraina (9 heures 45)
Fiaraha-misakafo : aorian’ny fotoam-pivavahana.
Dia maniry ny fanatrehan’ny rehetra.
Ary ny Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany. |
| TENY FIFAMPAHEREZANA |
|
De RAKOTOMALALA Hanitra (08/04/2011)
A tous les enfants,
En ce moment où nous ne pouvons pas faire des cours d'Ecole de Dimanche, je vous invite à lire avec les parents les textes suivants :Louez l'Eternel, car il est bon, Car sa miséricorde dure à toujours! (Ps 107 : 1)
Dans leur détresse, ils crièrent à l'Eternel, Et il les délivra de leurs angoisses; Il envoya sa parole et les guérit, Il les fit échapper de la fosse. Qu'ils louent l'Eternel pour sa bonté, Et pour ses merveilles en faveur des fils de l'homme! (Ps 107 : 19-21).
Mais les principaux sacrificateurs et les scribes furent indignés, à la vue des choses merveilleuses qu`il avait faites, et des enfants qui criaient dans le temple: Hosanna au Fils de David! Ils lui dirent: Entends-tu ce qu`ils disent? Oui, leur répondit Jésus. N`avez-vous jamais lu ces paroles: Tu as tiré des louanges de la bouche des enfants et de ceux qui sont à la mamelle? (Matthieu 21 : 15-16). Prions et louons Dieu sans cesse , et pensons aux milliers d'enfants qui souffrent beaucoup actuellement. |
|
Avy amin'ny fianakaviana RAFENOMANANORO [Feno, Michelle, Niry, Rija, Domoina] (05/04/2011) Miarahaba antsika teran-tany Malagasy aty Côte d'Ivoire izahay famille RAFENOMANANORO, tsapanay tokoa ny toerana misy anareo amizao fotoana izao, na dia tonga soamatsara ty an-tanindrazana aza izahay dia mivavaka foana ho anareo izay miaina ao anaty tebiteby sy tahotra. Ilay Tompo be fitia anie hitantana sy hitsinjo atsika mianakavy hatrany.
Dia mankahery atsika rehetra hatrany. |
Avy amin'ny fianakaviana Mahery Ando Dera Harena RATOARIJAONA (05/04/2011)
Miarahaba sy mankahery antsika tsirairay avy amin izao vanim- potoana mahamay andalovan ny firenena izao .
Ny famindrampon 'Andriamanitra anie ho amintsika tsirairay avy. Ary ny tanany mahery anie no hanafaka ity firenena ity amin izao tolona izao.
Mahatsiaro am bavaka ny antsika rehetra izahay.
|
|
Avy amin'ny Anjomara Anosivavaka (03/04/2011) Miarahaba anareo amin'ny anaran'ny Krisy Jesoa Tompontsika. Henonay tokoa ny vaovao mahakasika an'i Côte d'Ivoire ireny. Mampahery anareo araka ny tenin'ny soratra masina hoe"Na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho dia tsy hatahotra". Mahery ary mahay ny zavatra rehetra ny Tompontsika koa aza matahotra Izy no efa nilaza fa "Raha ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany", tsy mivadika @ izany efa nolazainy Izy fa Andriamanitra tsymiova koa matokia azy! mahatsiaro anareo amim-bavaka izahay Antoko Mpihita Anjomara FJKM Anosivavaka!! |
| Avy amin'ny Fiangonana FPMA - Aix Marseille (03/04/2011)
Ny Fiangonana FPMA - Aix Marseille sy ny Mpitandrina Jeannot Tiana Randrianandrasana, dia nitondra am-bavaka an'i Côte d'Ivoire sy ny Malagasy monina eto, nandritry ny fanompoam-pivavahana nataon'izy ireo tamin'ny alahady 03 aprily lasa teo. Manana solontena vitsivitsy ao amin'io tafo io ny FKMA.
Pejy samihafa :FPMA Aix Marseille, STK-Aix Marseille |
|
Avy amin'ny Mpitandrina Solomon Andria (04/04/2011)
“Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy fa hataony tanteraka” Sal.37.5
Davida mpanjaka no niteny io. Mpanjaka manana ny heriny sy ny lazany kanefa nametraka ny fiainany sy ny fireneny tamin’ny Avo.
Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena misy antsika. Toa lasa ny eritreritra hoe samy olombelona ve mahavita ireny? Be ny fiaikàna tsy maintsy natrehan’ny rehetra: tsi-fahasalamana, tsy fahampian’ny sakafo, tahotra fanafihana sy fandrobana, vaovao mifanipaka.
Jehovah Andriamanitra no Mpanjakan’ny mpanjaka. Izy no Tompon’ny teny farany. Ny fahefany tsy manam-petra. Izy ilay omaly tsy miova, anio sy mandrakizay. Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, amin’ny alalan’ny vavaka, sy hira fiderana, isan-tokantrano.
Toa efa manatanteraka io vavaka io ny Tompotsika. |
|
Avy amin'i Hanta Harivelo (04/04/2011)
"L'Éternel...marche devant toi; lui, sera avec toi; il ne te laissera pas et il ne t'abandonnera pas: ne crains point, et ne t'effraye point." Deutéronome 31.8
"Comme j'ai été avec Moïse, ainsi je serai avec toi: je ne te laisserai point et je ne t'abandonnerai pont....Ne t'ai-je pas commandé: Fortifie-toi et sois ferme?Ne te laisse point terrifier, et ne sois point effrayé; car l'Éternel, ton Dieu, est avec toi partout où tu iras." Josué1.5,9
Peut-on vraiment, chaque jour et dans chaque situation, être fortifié en lisant la Bible? Cela aide-t-il réellement dans les soucis journaliers de connaître ce que la Parole de Dieu nous dit à leur sujet?
C'est une question souvent posée, en particulier par des personnes qui, à l'occasion seulement, entendent ou redisent quelques versets du Psaume 23: "L'Éternel est mon berger: je ne manquerai de rien...". Ils imaginent difficilement que la Parole de Dieu soit vraiment une source de réconfort et de force. Oui, ils peuvent bien avoir leur Bible sous leur oreiller; mais trouver vraiment de la force dans les paroles de Dieu ne leur semble pas réaliste. Eh bien, ils pourraient lire avec profit ce que la Bible dit au sujet des difficultés.
Premièrement, les versets d'aujourd'hui présentent des encouragements à ceux qui passent par des circonstances nouvelles et doivent prendre des décisions dont ils ne peuvent pas prévoir les conséquences; ils réalisent que leurs propres forces sont insuffisantes.
Deuxièmement, ces versets montrent que Dieu sait exactement ce qui se passe. Il est au courant de toute la situation; il connaît la faiblesse de l'homme et sait qu'il a besoin d'être encouragé. Et l'encouragement arrive!
Troisièmement, nous apprenons que Dieu ne délègue pas à d'autres la tâche de nous encourager; ils risqueraient de devoir abandonner quand les choses deviennent vraiment difficiles. Dieu ne nous laisse jamais! Il dit :" Je suis avec vous"(Matthieu 28.20).
Quatrièmement - et cela nous parle certainement - , celui qui nous aide nous précédera dans le chemin et sera avec nous où que nous allions: Dieu, le Tout-Puissant, sera notre avant-garde. Tout ce que nous avons à faire, c'est de suivre. Que désirons-nous de plus??
Nous pouvons recevoir personnellement, aujourd'hui, les encouragement de Dieu. |
|
|
|
Mifidy antsika ny Tompo
Toriteny alahady 27 marsa 2011
Solomon Andria, Mpitandrina
Ny fampianarana momba ny safidin’Andriamanitra no sarotra raisina indrindra ao amin’ny Soratra Masina satria tsy mifanaraka amin’ny eritreritsika. Hoy mantsy isika: nahoana Andriamanitra no mifidy ny olona sasany ho vonjena ary ny sasany kosa ho very mandrakizay? Sarotra valiana io fanontaniana io. Ny anjarantsika mpino dia miezaka ny hahatakatra izay voasoratra.
Isaia 41.8
Abrahama izay voalaza eto dia nofidin’Andriamanitra ho olony eto anivon’ireo jentilisa. Rain’ny mpino no ilazana azy satria izy no voalohany nino. Jakoba koa dia nofinidiny. Hoy indrindra mantsy ny Tompo : « Jakoba no tiako fa Esao no halako » (Ro. 9.13). Jakoba no tonga rain’ny Israelita.
Jaona 13.12-20
Amin’ireo mpianatr’i Jesosy 12 lahy, dia nisy tsy voafidy, na dia efa niaraka taminy nandritra ny telo taona aza ! « Tsy miteny aminareo rehetra aho, fantatro izay nofidiako », hoy izy (13.18).
2 Tesaloniana 2.13-17
1. Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy no nanatanteraka ny famonjena:
Ny Ray no nifidy ny mpino hatrizay. Tamin’ny fiandrianany sy ny famindrapony no nanaovany izany (13). Hoy mantsy Paoly: « Mamindrafo amin’izay tiany hamindranafo Izy » (Ro 9.15).
Ny mpino dia nofidiany mba hahazo famonjena avy amin’ny asan’ny Fanahy sy noho ny finoana ny fahamarinana (13).
Ny mpino dia nofidiny mba hahazo ny voninahitry ny Zanaka (14) rahatrizay.
2. Mitazona ny fampianarana am-bava sy an-tsoratra ny mpino (15), izany hoe ny toriteny sy ny Soratra Masina.
3. Andriamanitra no mihazona ny mpino amin’ny asany sy ny Teniny (17).
Ny hafatra ho antsika
Toy ny nifidianana an’i Abrahama no nifidianan’ny Tompo antsika hatriny fahagola, zanak’i Abrahama rahateo isika satria mino toa azy. Tsy noho ny famendrehantsika anefa fa noho ny fiandrianany sy ny famindrapony no nifidianany antsika. Ny hany takiany amintsika dia ny finoana ny Tenin’ny fahamarinana sy ny fihazonana izany. Ny Fanahy izay manamasina no hanampy amin’izany.
Misy fampitandremana ataon’i Jesosy anefa ao amin’ny Jaona 13. Misy angamba olona mitonona ho mpino ihany saingy tsy voafidy, toa ilay lehilahy tafaraka tamin’i Jesosy nandrintra ny telo taona saingy ny kitapom-bola no nahamay azy fa tsy ny Tompo. Ny niafarany dia namadika ny Tompo izy.
Fehiny
Voafidin’ny Tompo isika mba hanompo sy hanome voninahitra Azy. |
|
Culte du Dimanche 27 mars 2011
9 heures 00, Temple annexe EMUCI- Plateau
Sainte Cène
Réunion de préparation de la célébration du 30ème anniversaire de la FKMA Officiant : Pasteur Solomon Andria |
|
Ho an’ny rehetra,
Ho fanomanana ny fankalazàna ny faha-30 taonan’ny FKMA dia misy fanapahan-kevitra vitsivitsy ireto hoentina hanatanterahana izany.
1/ Ny teny faneva hobanjinina (mbola hohatsaraina) dia ny hoe : « Fiangonana nahazo sy mizara fitahiana », hisy andinin-tSoratra Masina hiorenan’ny teny faneva;
2/ Mba tsy hirotorotoana dia ny taona 2011 iray manontolo no atokana hankalazàna;
3/ Mbola mitohy ny fandraisana ny soson-kevitra avy amin’ny tsirairay, maro no efa nanao izany ary isaorana mialoha.
N.B. Ireo izay any am-pitan’i Côte d’Ivoire sy ireo zanaka am-pielezana dia afaka mandefa soson-kevitra na “témoignages” na hafatra amin’ny alàlan’ny inboxn’ito site ito na amin’ny adiresy hita etsy ambany.
4/ Hisy fivoriam-be ho an’ny rehetra ny Alahady 27 Marsa 2011 aorian’ny fanompoana izay hisy fandraisana. Hanao fanazavàna sy toro-làlana ny Diakona ombieny ombieny mialoha izany ary koa amin’io fotoana io. Izao no ho fizotr’izany fivoriana izany :
a/ hanao soso-kevitra ny mpino tsy an-kanavaka momba ny fomba fankalazàna, tsara raha manana anjara fitenenana ny rehetra na kely na lehibe.
b/ Izay hevitra voaray eo no hosivan’ny vaomiera sy ho trandrahany.
5/ Ny Alahady Paska 24 Aprily 2011 no andro hanokafana ny faha-30 taona. Amin’io fotoana io koa no hamoahana ny fandaharana raikitra.
http://fkma.fr.gd/Nous-contacter.htm
na fkma.ci@gmail.com
|
|
Résumé du message du Dimanche 06 Mars 2011
Pasteur ASSIE N’Guessan , FATEAC
Bonjour cher frère en Christ. Merci pour votre accueil du Dimanche 06 mars dernier. Veuillez transmettre mes remerciements à toute la communauté. Que le Seigneur vous bénisse.
Textes 1 Rois 22 :1 – 20, 2 Sam 12: 1 – 7, Marc 6: 18 , Matth 5 : 13 Actes 17: 6, Psaumes 37: 25
Thème: leader chrétien, n’oublie pas ton témoignage.
Un constat : Beaucoup de personnes, même des leaders chrétiens (pasteurs, diacres, prédicateurs …) sont bien engagés dans l’église. Mais une fois hors du cadre habituel de vie deviennent méconnaissables : ne vont plus à l’église, deviennent membres de sectes, faux prophètes à cause de certains intérêts.
Je veux attirer l’attention des chrétiens sur cette tentation qui les guette dans des circonstances où on les sollicite pour des conseils. On est quelquefois aussi influencé par le grand nombre, par l’argent et d’autres privilèges au mépris de notre témoignage chrétien. Ainsi on délivre des messages, des conseils démographiques, mensongers. Il tombe tout simplement dans la politique du ventre à laquelle se livrent malheureusement les faux prophètes et le suivisme.
Le vrai prophète (ex : Michée) doit se démarquer de tels comportements et ne conseiller que ce qui vient de Dieu au roi, au président…
Il doit avoir toujours ce reflexe. Quel est le conseil de Dieu ?
Michée seul, vrai prophète a eu raison de plus de 400 faux prophètes (Achab parti en guerre y est mort).
Si beaucoup de personnalités aiment les discours flatteurs, il y en a qui sont sincères et qui veulent qu’on leur dise la vérité. En disant la vérité nous épargnons beaucoup parmi elles du danger, car elles peuvent changer de vie. On les sauverait aussi.
Il faut compter toutefois avec le prix à payer dans un tel engagement qui est quelquefois difficile. Il faut du courage.
Jean Baptiste : langage direct, décapité ; Nathan : diplomatique ; Jérémie…
N’oublions pas notre témoignage chrétien :
Chrétien engagé dont l’engagement est toujours croissant. ---- 0 ---- |
Taratasy avy amin'ny Mpitandrina ho antsika vehivavy
08 marsa 2011
Mahatsiaro tokoa anareo reny, anabavy, zanaka vavy amin'izao andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy izao, 8 Marsa 2011. Mitongilana ny fiainana raha tsy misy anareo. Ny Tompo hampahery anareo amin'ny andraikitrareo ao amin'ny ankohonana, ao amin'ny Fiangonana sy eo amin'ny fiaraha-monina.
Miombom-bavaka mandrakariva amintsika rehetra.
|
|
Mahery amin’ny teniny ny Tompo
Lioka 5.1-11
Toriteny Alahady 27 Febroary 2011
Pasteur Solomon Andria
Ny tontolon’ny teny Lioka 5.1-11
Tao Kapernaomy no niseho ny tantara, tanàna malaza manamorona ny Farihin’ny Genesareta, na koa ny Ranomasin’i Galilia. Ny jono no isan’ny mampalaza ny tanàna. Maro amin’ny mponina no mpanjono, isan’izany i Simona.
Efa nanomboka fantatr’olona Jesosy, avy any Nazareta. Mpampianatra feno fahefana no hahalalan’ny mponina azy. Nanintona azy ireo koa ny fahasitranana nataony.
Nifanizina teo amoron’ny farihy ny olona mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra entin’i Jesosy (1). Rehefa vita ny fampianarana dia nitodika tamin’i Simona izay avy nanjono Jesosy ary nanoro hevitra azy handatsaka ny harato amin’ny lalina kokoa. Nanaiky tsy fidiny izany baiko izany Simona ary akory ny fahagagàny fa nahazo trondro betsaka izay tsy izy ry zareo : Simona sy Jaona ary Jakoba. Teo no nahatsapan’i Simona fa tsy Mpampianatra fotsiny Jesosy fa tena Tompo mihitsy, tsy Rabi jiosy fa Andriamanitra manana fahefana. Ny vokany: nanaraka Azy ho mpianany izy sy ireo roalahy namany.
Ny niantsoana an’i Simona telo lahy ho mpianatra no foto-kevitra eto. Andeha hojerena akaiky ary ireo dingana nataon’i Simona :
Niaiky ny tsi-fahombiazany izy ary nankatò ny baikon’i Jesosy na dia tsy sazoka ihany aza. Mpanjono za-draharaha izy anefa nanaiky ny baikon’ilay Raby, mpampianatra (5)!
Ny fankatoavany dia nitondra fahafampo taminy ary nanokatra ny masony: tsy ilay Raby intsony no hitany fa ny Tompo mihitsy. Ny fiantsoana hoe : “Tompo” ao amin’ny Testamenta Vaovao dia atao amin’Andriamanitra ihany. Ny fiankohofana koa dia milaza ny maha Andriamanitra an’i Jesosy. Hoy ny Didy folo: “Jehovah Andriamanitrao ihany no hiankohofanao” (8).
Niaiky ny maha mpanota azy Simona. Rehefa manatrika an’Andrimanitra ny olona dia mahatsiaro ny maha mpanota azy.
Ny olona voavela heloka satria nibebaka no hiantefan’ny antson’i Jesosy (10). Lasa mpianatra ilay mpanjono, lasa mpanaradia an’i Jesosy ilay mpanota, lasa Petera i Simona. Nafoiny ny zavatra rehetra (11).
Mianatra mihaino ny feon’Andriamanitra isika, amin’ny fihainoana toriteny, famakiana sy fandinihana ny Soratra masina isan’andro.
Izay mahay mihaino no mahay mankatò. Rehefa mazava ny baiko dia mankatò avy hatrany, tanteraka, tsy miady varotra. Mitondra fitahiana ny fankatoavana.
Ny fihainoana sy ny fibebahana no mialoha ny antso ataon’ny Tompo Jesosy. Izany antso izany anefa tsy miantefa amin’izay ho mpitandrina na mpiasam-piangonana ihany fa amin’ny mino rehetra. Mpanompon’Andriamanitra avokoa ny mpino.
|
|
Culte du Dimanche 27 Février 2011
Temple annexe EMUCI-Plateau , 9 heures 00
avec Sainte Cène |
| |
| |
| |
|
Hatao amin'ny Sabotsy 19 Febroary amin'ny 3 ora ny famangiana FKMA an'i Assad sy Joelle tera-dahy "Fidy". Eo amin'i Tiana sy Michou Razafindranasina (Zone 4) no fotoana. Manasa ny rehetra hanatrika izany fitsidihana izany, izay tarihin'ny ray aman-dreny am-panahy, Solomon Andria mivady.
|
|
FANDAHARANA NY HERINANDRO 14-20 FEBROARY
- Fandinihana Baiboly (amin’ny Skype) : Zoma 18 Febroary amin'ny 9 ora alina.Teny hodinihina : Asa 19.11-20
- Katekomena : Sabotsy 19 Febroary amin'ny 5 ora ao amin'i Fkv. Eugène Andrianasolo, Cocody - Fandinihana Baiboly mifanatrika (tsy misy Skype) : Sabotsy 19 Febroary amin'ny 6 ora ao amin'i Fkv. Eugène Andrianasolo, Cocody. Teksta iraisana no hodinihana: Asa 19.11-20
- Fanompoam-pivavahana toy ny mahazatra ao amin’ny Plateau ny Alahady 20 Febroary manomboka amin'ny 9 ora maraina
- Fanasàn'ny FIKRIKAMA, fetin'ny taom-baovao : Alahady 20 Febroary amin'ny 11 ora antoandro. Manasa antsika rehetra hanatrika raha vao vita ny fotoam-pivavahana Plateau. |
| |
|
Mahery eo amintsika ny Teny
Solomon Andria, Mpitandrina
05 Febroary 2011
Fitarihana
Amintsika Malagasy dia tsy natao hilazan-javatra na hilazan-kevitra fotsiny ny teny. Ny Ntaolo no milaza fa mitondra aina ny teny, ka tsy azo atao ny manapa-teny, ny miteny tsy voahevitra, ny avo feo. Ny olona tsara taiza hono dia ny olona mahay miteny, tsy mivantambatana, tsy mandratra fa manambara am-pahendrena izay tokony hambara. Irin’olona tsara taiza ireny.
Ny Teny araka ny Soratra Masina
Gen. 1.1-8
Ny Teny no naharian’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany. Andriamanitra ihany no mahary, mampisy avy amin’ny tsy misy. Mariho fa ny matoateny (verbe) eto dia hoe “mahary” fa tsy hoe “manao, manefy, na manamboatra”.
Jao. 1.1-8
Tsy Mpahary ihany ny Teny fa anton’ny fahariana koa (3), ary tena Andriamanitra Izy (1). Ny Teny no ilay Mazava. Jesosy no ilay Teny tonga nofo tonga nanambara an’Andriamanitra tamintsika.
Heb. 1.1-4
Ny mpaminany no mpitondra teny nampahafantatra ny momba an’Andriamanitra (1) teo aloha faha Testamenta Taloha, fa rehefa tonga Jesosy, dia Izy Zanany mihitsy no sady mpitondra teny no tena Teny. Izany hoe izay mahafantatra an’i Jesosy dia mahafantatra an’Andriamanitra Ray.
Lesona ho antsika
Ny Teny, na ny Soratra Masina, no manambara an’Andriamanitra amintsika. Tsy misy fomba hafa hahafantarantsika Azy afatsy ny Teny. Takiana amintsika àry ny fihainoana, ny fandinihana ary ny fampiharana ny Teny amin’ny fiainantsika. Fanontaniana
Misy ohabolana keniana manao hoe: “Ny sofina maniry alohan’ny tandroka”. Raha teraka ny zanak’omby dia hita ny sofiny. Rehefa lehibe izy vao maniry ny tandrony. Tokony hianatra mihaino isika, vao mitady hiaro-tena. Mamaky ny Teny isan’andro ve ianao? Inona no azonao tamin’izany androany? |
| KATEKOMENA - FIVORIAN'NY SAMPANA VEHIVAVY
Any amin'i Randrianaivo Laetitia (Cocody) no atao ny fianaran'ny Katekomena, ny asabotsy 12 febroary manomboka amin'ny 2 ora sy sasany. Lesona : Ny Sakramenta.
Eo an-toerana sy amin'io daty io ihany koa no hanaovana ny fivorian'ny Sampana Vehivavy manomboka amin'ny 3 ora sy sasany. |
| Fandinihana Baiboly - Etudes bibliques (Skype)
Zoma 11 Febroary 2011, 9 ora alina
Jereo ny pejy "Etudes Bibliques" |
| Taratasy fisaorana sy fanaovam-beloma avy amin'i Timon Solofo |
|
Feno 140 taona ny Fiangonana FJKM Ankadifotsy vakio eto.....
|
| VIDEOS HAZO KRISMASY 2010
|
|
FANDINIHANA BAIBOLY - ETUDES BIBLIQUES
Hisokatra ny zoma 28 janoary ho avy izao manomboka amin'ny 9 ora alina tsy diso ny FANDINIHANA BAIBOLY - ETUDES BIBLIQUES an-taroby.
Izany dia atao amin’ny alalàn’ny SKYPE (Conférence).
Izay rehetra maniry handray anjara dia manomboka manome ny sarin’anarana (pseudonyme) any amin’i Rado Rakotoson : koakio@hotmail.com
Toy izao ary ny zavatra homanina alohan’ny zoma.
1/ Texte vakiana : Matio 8.14-17(tsindrio eto dia ho hitanao mora);
2/ Fanontaniana hovaliana :
· Inona no tantaraina ao amin'io texte io?
· Karazan'aretina inona avy no sitranin'i Jesosy araka ny texte?
· Inona ny toetran'i Jesosy sy fahefany hita ao?
· Misy lesona azo raisina ho antsika ve ao amin'io Matio 8 io?
Manampy amin'ny fizotran'ny fandinihana ny famaliana ireo fanontaniana ireo mialoha.
|
|
Perikopa FJKM 2011
|
|
Rentrée ecclésiastique de la FKMA Journée de la FATEAC Dimanche 16 janvier 2011 à 9 heures 00 Temple annexe EMUCI- Plateau Sainte Cène Officiant : Pasteur Solomon Andria Prédicateur : Pasteur Noël N'Guessan (FATEAC) Nous sommes tous invités
(** FATEAC : Faculté de Théologie évangelique de l'Alliance Chrétienne) |
| Fiarahabàna samihafa |
| Taratasy avy amin'ny
Fianakaviana Ratsimandresy Touré Sendra (Madagasikara) |
| Taratasy avy amin'ny
Fianakaviana Rakotomanga Liva-Magalie (Madagasikara) |
| CULTE DU NOUVEL AN Alahadin'ny Taom-baovao Dimanche 02 Janvier 2011 à 9 heures au temple annexe EMUCI Plateau Sainte Cène Bonne Année 2011 Arahaba tratry ny taona 2011
|
|
NOËL 2010 - KRISMASY 2010 - Invitation
Samedi 25 décembre à 9 heures 30 : Culte-concert des Trois Communautés à la Paroisse EMUCI du Plateau.
Nous verrons la participation des différentes chorales dont la Chorale Malgache. Nous sommes tous invités à assister à cette fête de Noël particulière dans la mesure où elle nous permet de prier intensément pour la Côte d’Ivoire.
Dimanche 26 Décembre à 9 heures: Arbre de Noël au temple annexe EMUCI Plateau.
Cette manifestation est dédiée entièrement aux enfants de l'Ecole de Dimanche. Le thème qu'ils ont choisi cette année est "Comprendre et vivre Noël". Nous sommes tous invités, enfants et grands. Venons nombreux récompenser par notre présence la ténacité de ces enfants qui ont préparé cet événement dans des conditions particulières. Joyeux Noël à tous
Arahaba tratry ny Krismasy |
| A tous les enfants et parents,
Répétitions générales de l'Ecole de Dimanche
Mercredi 23 décembre à 14 heures 30
et Jeudi 23 décembre à 08 heures 30 du matin.
au temple annexe du Plateau. |
| Les répétitions de la Chorale se déroulent régulièrement tous les Dimanches à partir de 16 heures au Temple annexe EMUCI Plateau.Le prochain évènement sera le Concert de Noël en collaboration avec les autres chorales de la Paroisse du Plateau |
| Taratasy avy amin'i RAZAKA Oliva, Mpiandraikitra ny Sera sy Fifandraisana IvelanyTobilehibe Soatanàna (voaray tanatin'ny site FKMA) |
| Tatitra toe-bola Janoary 2010 - 30 Septambra 2010 |
| Programme des cultes du quatrième trimestre 2010
|
| Rentrée ecclésiastique de la FKMA Avent* Journée de la FATEAC** Sainte Cène
------------------
Dimanche 05 décembre 2010 à partir de 9 heures 00 Temple annexe EMUCI-Plateau
------------------
Officiant : Pasteur Solomon Andria Prédicateur : Pasteur Noël N'Guessan (FATEAC) Nous sommes tous invités
(*Avent : 4ème dimanche avant Noël qui marque le début de l'année ecclésiastique)
(** FATEAC : Faculté de Théologie évangelique de l'Alliance Chrétienne
Site Web FATEAC) |
| Réunion du Groupe des Femmes
Samedi 13 nov
Chez Ando Ratoarijaona - Zone 4
à partir de 15 heures 29
Toutes les femmes sont invitées |
| CULTE DU DIMANCHE 10 Octobre 2010
avec Sainte Cène
officié par le Rév Pasteur Solomon ANDRIA
Temple annexe EMUCI Plateau à partir de 9 heures 00 |
| Première réunion 2010-2011 du Groupe des femmes
Samedi 02 octobre 2010, chez Rakotomalala Hanitra
Tour Golem Cocody, à partir de 15 heures 30 |
| 60 ans de Cheiche Somano
Que Dieu vous bénisse
Voir toutes les photos dans la galérie |
|
CULTE DU DIMANCHE 19 SEPTEMBRE 2010
avec Sainte Cène
Dimanche 19 Septembre 2010
officié par le Rév Pasteur Michel LOBO
Temple annexe EMUCI Plateau à partir de 9 heures 00
|
| C'est dans la profonde douleur que Rabehasy Nina, Lolona et Loda annoncent le décès de leur mère
PAULINE RABEHASY (87 ans)
décès survenu ce lundi 13 septembre à Marseille .
Le Président de la Communauté Malgache, M. Cheiche Somano précise que la famille Rabehasy à Abidjan recevra les condoléances ce mercredi à 19heures au II Plateaux.
Merci pour votre comprehension
Source : Solofo Rakotoson |
| Itompokovavy Rabehasy Pauline , mijoro eo aoriana amin'ny farany havia.
Tahirin-tsary FKMA tamin'ny taona 1986
|
| CULTE DU DIMANCHE 15 Aout 2010
avec Sainte Cène
officié par le Rév Pasteur Michel LOBO
Temple annexe EMUCI Plateau à partir de 9 heures 00 |
| Réunion du Groupe des Femmes
chez Rajaonarifetra Patricia
Cocody , Tour Sainte Marie
Samedi 10 juillet 2010
à partir de 15 heures 29 |
|
BONNE VACANCES A TOUS
QUE DIEU VOUS ACCOMPAGNE PARTOUT.
|
| Programme Troisième Trimestre 2010
Juillet - Août - Septembre |
|
CULTE DU 20 JUIN 2010
Fin d'année scolaire de l'Ecole de Dimanche
Fête des pères
Dimanche 20 juin 2010
Temple annexe EMUCI Plateau à partir de 9 heures 00 |
| F I V O R I A N ' N Y
S A M P A N A V E H I V A V Y
Réunion du Groupe des femmes
Chez Madame Vero Manambitsoa
Marcory Résidentiel
Samedi 12 Juin 2010
à partir de 15 heures 29 minutes |
| C U L T E P O U R M A D A G A S C A R
Dimanche 06 juin 2010
Prières pour les 50 ans d'indépendance du pays
Temple annexe EMUCI Plateau à partir de 9 heures 00
Tous les malgaches et amis de Madagascar sont invités pour élever de manière solidaire les prières qui sont déjà dans nos cœurs, ces prières que le Seigneur attend de nous et dont la nation a plus que jamais besoin.
Une collation fraternelle est prévue après le culte
|
|
C U L T E P O U R L E S M E R E S
Dimanche 30 mai 2010
Temple annexe EMUCI Plateau à partir de 9 heures 00
|
|
E T U D E S - B I B L I Q U E S
chez la famille Ratoarijaona Njato
Biétry
à partir de 19 heures 00
|
| C U L T E D E P E N T E C O T E
F K M A
Nous sommes tous invités au Culte de Pentecôte
le Dimanche 23 mai à 9 heures 00
au Temple annexe
EMUCI Plateau |
| C H O R A L E
Concert
Manasa ny rehetra hanatrika
ny Antsam-Panahy Pentekosta
ny asabotsy 22 may
manomboka amin'ny 7 ora hariva
ao amin'ny Fiangonan- dehibe EMUCI Plateau |
| E T U D E S - B I B L I Q U E S
chez la famille Harivelo Tantely
Marcory Résidentiel
à partir de 19 heures 00 |
| C H O R A L E
Mitohy ny fianarana hira
ao amin'ny trano fiangonana Plateau
amin'nyAlahady 09 may ho avy izao
amin'ny 4 ora hariva.
Afaka tonga izay rehetra maniry handray anjara.
Ny antsam-panahy manaraka dia ny asabotsy 22 may hariva,
an-katoky ny Pentekosta |
| K A T E K O M E N A
Mitohy ny fianarana Katekomena
ao an-tokantranon'i Harivelo Tantely
Marcory Résidentiel
amin'ny Sabotsy 08 may ho avy izao
amin'ny 6 ora hariva. |
| F I V O R I A N ' N Y
S A M P A N A V E H I V A V Y
ao an-tokantranon'i Harivelo Hanta
Marcory Résidentiel
amin'ny Sabotsy 08 may ho avy izao
amin'ny 3 ora sy sasany hariva. |
| E T U D E S - B I B L I Q U E S
chez la famille Njato Ratoarijaona
Zone 4
à partir de 19 heures 00 |
| Résumés de prédications |
| Le site FKMA
aura 2 ans le 29 avril prochain |
| A partir de ce mois de Mars 2010
Des résumés de prédication FKMA vous seront livrés sur notre site
[Cliquer ici] |
| Mars 1981 - Mars 2010
La FKMA a 29 ans
La FKMA célèbrera son Trentième Anniversaire l'année prochaine (Mars 2011) |
| E T U D E S - B I B L I Q U E S
chez la famille Harivelo
Marcory Résidentiel
à partir de 19 heures 00 |
| Vidéo de Pâques 2010
avec le résumé de la prédication
Il est conseillé de télécharger (download) d'abord
et visionner ensuite avec vos propres
Realplayer, VLC, Lecteur WM, .....
14 Mbytes - 6 minutes |
| JEREO KOA NY VIDEO "FARIBOLANA ABREBY" |
| VISITEZ LA GALERIE PHOTOS
|
| Le programme des cultes de Mars à Juin en ligne[Cliquer] |
| CULTE DE PAQUES
Sainte Cène
Date : 04 avril 2010
Lieu : Temple annexe EMUCI Plateau
9 heures 00
|
| SEMAINE SAINTE
Du lundi 29 mars au mercredi 31 mars 2010 : tous les soirs à partir de 19 heures
au Grand Temple EMUCI Plateau
Jeudi 01 avril 2010 : Spécial FKMA - Sainte Cène
au temple annexe EMUCI Plateau à 19 heures
Vendredi 02 avril 2010 : Spécial FKMA - Etudes Bibliques
au domicile de SOMANO Cheiche Biétry à 19 heures
|
| DIMANCHE DES RAMEAUX
Le Culte du Dimanche des Rameaux sera célébré avec l'ensemble des trois Communautés du Plateau
Date : 28 mars 2010
Lieu : Temple EMUCI Plateau
9 heures 00
LA CHORALE EXÉCUTERA DEUX CHANTS OU PLUS
|
| Etudes bibliques
chez la famille Rakotomanga
Riviéra Golf
à partir de 19 heures 00 |
|
Sortie FKMA
Culte
Accueil des nouveaux membres
Détente
Date : Dimanche 21 mars 2010
Lieu : Jacqueville
Départ au temple du Plateau à partir de 07 heures 30
Prévoir le repas de midi , la boisson surtout de l'eau fraîche
(il n'y a ni maquis ni boutique dans le voisinage des lieux) Prévoir également le coût Aller-Retour du transfert par bac
(c'était 1500 FCFA par voiture, il y a 2 ans)
TOUT LE MONDE EST INVITE
UN DEPART COLLECTIF EST PREVU A L'HEURE ET LIEU INDIQUES CI-DESSUS |
|
Etudes Bibliques chez la famille Razafindranasina
Zone 4
à partir de 19 heures 00 |
Culte selon le programme ci-dessous
Plateau EMUCI
à partir de 9 heures 00
|
| Réunion du Groupe des Femmes
chez Tiana Cocody Andgré
à partir de 15 heures 30
|
| Etudes Bibliques
chez la famille Lydia, Eugène et Mijoro
Cocody , Cité des Arts
à partir de 19 heures 00
__________________________________________________________________ |